jeudi 17 mai 2018

Abbah-Tarika Iray


Nandresy ny aizina ho amin’ny hazavana (oh ouh oh)
Nanasitrana nanao fahagagana (hey eh)
Namelona indray ilay fanantenana
Nitondra ahy ho amin’ny tany Kanana
Abbah (haleloia), Abbah (haleloia)
Abbah (haleloia), Abbah (haleloia)

Nampisy ahi-maintso amin’ny tany karakaina (oh ouh oh)
‘Reo zava-boary nomeny fofon’aina (hey eh)
Nanangana ‘lay maty ho velona indray
Misaotra Anao Abbah Ray
Abbah (Haleloia), Abbah (Haleloia)
Abbah (Haleloia), Abbah (Haleloia)

Velona Andriamanitra (velona, velona, velona, velona)
Tsy nahatana Azy ny fasana
Ny fahefana eo am-bavany (hey eh)
Tsy misy mahatana ny fiasany
Abbah (Haleloia), Abbah (Haleloia)
Abbah (Haleloia), Abbah (Haleloia)

Nah nah nah nah…….

 Abbah (Haleloia), Abbah (Haleloia)
Abbah (Haleloia), Abbah (Haleloia)

Tsara mankany amin’ilay fahatsarana tsara indrindra
Ilay fiainana milamina sy tsara rindra
Mitohy mitohy makany amin’ilay tena izy
‘Lay Paradisa feno harena sarobidy


mercredi 5 octobre 2016

Taxi-Be nampiakatra sarandalana - filohan'ny HAFARI afaka madiodio





Taxi-BE Niakatra 500 ar ny sarandalana amin'ny koperativa sasantsasany eto Antananarivo.

Afaka madiodio tamin'ny fiampangana azy ny filohan'ny HAFARI, naverina eny amponja kosa izy nohon'ny resaka fitanana ankeriny ary mbola miandry ny fitsarana azy.

Filana sotasota amin'ny fitondrana amin'izao fotoana izao ny fitakiana ny tany eny Andohotapenaka ataon'ny filoha teo aloha RAVALOMANANA Marc.

Voatendry mpanolotsaina manokan'ny tanana an'Antananarivo ny filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA.

mercredi 21 septembre 2016

Sekretera Jeneraly Didier Gérard - Zandary voaroka







Hitory ny tambazotra Gasy Tia Tanindrazana ny Jeneraly PAZ Didier Gérard nohon'ny vaovao tsy marina navokan'ity gazety ity ny 18 septambra 2016, tsy hitory ny filoha Marc RAVALOMANANA izy raha ny nambarany.



Voaroka avy hatrany ilay zandary nitifitra taxi-brousse.



Tafiditra ao amin'ny raharaha Andramena tamin'ny 2015 tao Toliara ny mpiasa iray ao eo anivon'ny Faditseranana, ny zandarimaria, ny tontolo iainana ary ny mpandraharaha vahiny sy malagasy.



Olona iray teny Ambolokandrina no voatototry ny tany nohon'ny fanapoahana vato teny Ambohimanambola.

mardi 20 septembre 2016

VAOVAO 19 SEPTAMBRA 2016 - Toliara, Fifidianana, HAFARI





Tsy misy ahiana ny mety hisian'ny korontana eto Madagasikara aorian'ny fifidianana filohampirenenana amin'ny taona 2018.



Nandroso tamin'ny fitokonana ireo mpampianatra ny oniversitean'ny Toliara : tsy voaloha ny tampikaramana, ny tanin'ny oniversita lasan'ny olona, ny tsy fisian'ny fandriampahalemana no antony.



Niverina amponja vonjimaika ny filohan'ny fikambanana HAFARI Malagasy


jeudi 15 septembre 2016

Vaovao 14 septambra 2016





Savorovoro tao Maroantsetra - fifandirana teo amin'ny mpandraharaha Vanila no niandohan'ny disadisa



Mpampihorohoro tratra teo ampanoratana mailaka



Dahalo telopolo no nanafika ny tanana iray tany Beraketa : milaza hanao be midina any amin'ny kizo fieren'ny Jiolahy ireo fokonolona



Lanto RATSIDA, paikady amotehana ny firenena  ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara

mercredi 14 septembre 2016

VAOVAO MALAGASY - TALATA 13 SEPTAMBRA 2016





Filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA - tsy mandeha amin'ny laoniny ny raharahampirenana



Anomboka amin'ny volana desambra ny CENI no ampiditra ny anaran'ireo mpividy vaovao



Miandry fitoniaina avy amin'ny Madagasikara ny firenena mikambana hoy ny mpitondra tenin'ny MAPAR

mardi 7 février 2012

Taona 2012 mbola sahirana foana ny malagasy!

Tena mbola tsy tafavoaka foana ny firenena Malagasy, fa maninona ary e? Hita taratra tsara fa misy fitiavantena be dia be eo anivon'ireo andrim-panjaka maro samihafa, na mihezaka aza ianao hanao ny marina dia ny "Société" misy anao tia tena daholo ireo olona ireo ka voatery tsy maintsy milefitra amin'izany!

vendredi 25 novembre 2011

Tonga eto Madagasikara ny Deba

Nigadona teto Antananarivo ny alakamisy 25 novambra teo andriamatoa filohan'ny Repoblika teo aloha dia i Didier RATSIRAKA izany, raha ny fijeriko azy dia tena efa antitra be mintsy ingahy rainy! Niezaka ihany anefa izy nampiseho fa mbola mahavita ny hanao filoham-pirenena amin'izao taonany izao.

lundi 18 juillet 2011

Madagasikara tanindrazanay

Madagasikara no tanindrazako, ary faly izaho satria eto amin'ity firenena manankarena ity no nasiany ahy, manankarena hoy aho satria manana an'Andriamanitra ny malagasy maro sy manana harena marobe tsy ananan'ny firenen-kafa. Tsy hiady hevitra betsaka amin'izany resaka toe-karena izany aho fa fampidirana fotsiny io resaka harena io.