vendredi 25 novembre 2011

Tonga eto Madagasikara ny Deba

Nigadona teto Antananarivo ny alakamisy 25 novambra teo andriamatoa filohan'ny Repoblika teo aloha dia i Didier RATSIRAKA izany, raha ny fijeriko azy dia tena efa antitra be mintsy ingahy rainy! Niezaka ihany anefa izy nampiseho fa mbola mahavita ny hanao filoham-pirenena amin'izao taonany izao.

lundi 18 juillet 2011

Madagasikara tanindrazanay

Madagasikara no tanindrazako, ary faly izaho satria eto amin'ity firenena manankarena ity no nasiany ahy, manankarena hoy aho satria manana an'Andriamanitra ny malagasy maro sy manana harena marobe tsy ananan'ny firenen-kafa. Tsy hiady hevitra betsaka amin'izany resaka toe-karena izany aho fa fampidirana fotsiny io resaka harena io.