mercredi 5 octobre 2016

Taxi-Be nampiakatra sarandalana - filohan'ny HAFARI afaka madiodio





Taxi-BE Niakatra 500 ar ny sarandalana amin'ny koperativa sasantsasany eto Antananarivo.

Afaka madiodio tamin'ny fiampangana azy ny filohan'ny HAFARI, naverina eny amponja kosa izy nohon'ny resaka fitanana ankeriny ary mbola miandry ny fitsarana azy.

Filana sotasota amin'ny fitondrana amin'izao fotoana izao ny fitakiana ny tany eny Andohotapenaka ataon'ny filoha teo aloha RAVALOMANANA Marc.

Voatendry mpanolotsaina manokan'ny tanana an'Antananarivo ny filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA.

mercredi 21 septembre 2016

Sekretera Jeneraly Didier Gérard - Zandary voaroka







Hitory ny tambazotra Gasy Tia Tanindrazana ny Jeneraly PAZ Didier Gérard nohon'ny vaovao tsy marina navokan'ity gazety ity ny 18 septambra 2016, tsy hitory ny filoha Marc RAVALOMANANA izy raha ny nambarany.



Voaroka avy hatrany ilay zandary nitifitra taxi-brousse.



Tafiditra ao amin'ny raharaha Andramena tamin'ny 2015 tao Toliara ny mpiasa iray ao eo anivon'ny Faditseranana, ny zandarimaria, ny tontolo iainana ary ny mpandraharaha vahiny sy malagasy.



Olona iray teny Ambolokandrina no voatototry ny tany nohon'ny fanapoahana vato teny Ambohimanambola.

mardi 20 septembre 2016

VAOVAO 19 SEPTAMBRA 2016 - Toliara, Fifidianana, HAFARI





Tsy misy ahiana ny mety hisian'ny korontana eto Madagasikara aorian'ny fifidianana filohampirenenana amin'ny taona 2018.



Nandroso tamin'ny fitokonana ireo mpampianatra ny oniversitean'ny Toliara : tsy voaloha ny tampikaramana, ny tanin'ny oniversita lasan'ny olona, ny tsy fisian'ny fandriampahalemana no antony.



Niverina amponja vonjimaika ny filohan'ny fikambanana HAFARI Malagasy


jeudi 15 septembre 2016

Vaovao 14 septambra 2016





Savorovoro tao Maroantsetra - fifandirana teo amin'ny mpandraharaha Vanila no niandohan'ny disadisa



Mpampihorohoro tratra teo ampanoratana mailaka



Dahalo telopolo no nanafika ny tanana iray tany Beraketa : milaza hanao be midina any amin'ny kizo fieren'ny Jiolahy ireo fokonolona



Lanto RATSIDA, paikady amotehana ny firenena  ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara

mercredi 14 septembre 2016

VAOVAO MALAGASY - TALATA 13 SEPTAMBRA 2016





Filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA - tsy mandeha amin'ny laoniny ny raharahampirenana



Anomboka amin'ny volana desambra ny CENI no ampiditra ny anaran'ireo mpividy vaovao



Miandry fitoniaina avy amin'ny Madagasikara ny firenena mikambana hoy ny mpitondra tenin'ny MAPAR