Hiram-pirenena Malagasy

Ry Tanindrazanay malala ô! no hiram-pirenena Malagasy izay nivoaka tamin'ny niverenan'ny fahaleovantenan'ny Madagasikara tamin'ny 1958. Norbert Raharisoa sy ny Pasitera Rahajason no namorona azy.




Misy andininy telo ity hiram-pirenena Malagasy ity. Ny andininy voalohany dia milaza ny fitiavana ny tanindrazana ary ny andininy faharoa dia manambara ny fanantenana sy tso-drano omena ny tanindrazana.

Ny zavatra voamariko tamin'ireo olona manodidina ahy dia vitsy no mahay ny andininy faharoa sy ny fahatelo, ny antony dia tsy dia be mpampiasa loatra ity andininy faharoa sy fahatelo ity. Ny tena mampalaelo dia tsy atao matetika ireo andininy faharoa farany ireo rehefa mananga-tsaina any ampianarana ny alatsinainy.

Hitan-tsika eto ambany ny horonan-tsary iray izay ahitana antokom-pihira vahiny manao izany hiram-pirenena Malagasy izany, mazotoa mijery ary tompoko!


Madagascar National Anthem par lalahanj