lundi 18 juillet 2011

Madagasikara tanindrazanay

Madagasikara no tanindrazako, ary faly izaho satria eto amin'ity firenena manankarena ity no nasiany ahy, manankarena hoy aho satria manana an'Andriamanitra ny malagasy maro sy manana harena marobe tsy ananan'ny firenen-kafa. Tsy hiady hevitra betsaka amin'izany resaka toe-karena izany aho fa fampidirana fotsiny io resaka harena io.

Ny zavatra ho entiko aminareo entoana dia izay fomba fijeriko sy zavatra azoko atao ho an'ity fireneko ity. Hiezaka mafy aho hiteny malagasy ny zavatra rehetra eto amin'ity fomba fifandraisana iray izay mahaliana ny maro tokoa ity.



Maro be ireo blogy izay efa nataoko saingy amin'ny fiteny frantsay daholo izy ireny, izaho anefa malagasy te hizara amin'ireo izay liana amin'ny fiteny malagasy. Ka ny blogy no hitako fa fomba tsotra afahana mifampizara fahaizana haingana indrindra.
Ho hitantsika eto, raha sitrapon'Andriamanitra, ireo fomba fijery maro samy hafa ary raha misy amintsika mahay kokoa ny teny malagasy na mahita diso amin'izay soratra ataoko dia miangavy izaho mba hanitsy izany amin'ny alalan'ny tsikera etsy ambany.
Koa dia mirary soa ho antsika rehetra tompoko ary manantena ny fitsidihanareo ity blogy iray ity. Misaotra nitsidika ary amin'ny manaraka indray miresaka misimisy e!

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire