vendredi 25 novembre 2011

Tonga eto Madagasikara ny Deba

Nigadona teto Antananarivo ny alakamisy 25 novambra teo andriamatoa filohan'ny Repoblika teo aloha dia i Didier RATSIRAKA izany, raha ny fijeriko azy dia tena efa antitra be mintsy ingahy rainy! Niezaka ihany anefa izy nampiseho fa mbola mahavita ny hanao filoham-pirenena amin'izao taonany izao.

Betsaka ny ady hevitra mikasika ny fiveranany antanindrazana, fa zavatra roa no tena hitako mety tena manosika azy hiverina ny voalohany dia mbola manantena ny hilatsaka ho filoham-pirenena ny tenany ary ny faharoa mety efa malahelo tsy nonina teto Madagasikara.
Raha ny fandraisako azy manokana dia izy dia Ray aman-dReny izay tokony ho hajaina sy ho mpanolo-tsaina ny madinika sy tanora fa tsy mahavita izany hanao filoham-pirenena izany tsony, hita kanefa fa mbola tena manantena ny hitondra fanjakana izy, hita taratra izany amin'ny fihetsiny sy ny manodidina azy. Tsy hitsara izaho hoe tena izay no tanjony fa ny ho avy no aleo haneo izany.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire