mardi 7 février 2012

Taona 2012 mbola sahirana foana ny malagasy!

Tena mbola tsy tafavoaka foana ny firenena Malagasy, fa maninona ary e? Hita taratra tsara fa misy fitiavantena be dia be eo anivon'ireo andrim-panjaka maro samihafa, na mihezaka aza ianao hanao ny marina dia ny "Société" misy anao tia tena daholo ireo olona ireo ka voatery tsy maintsy milefitra amin'izany!

Asa raha i Pasitera Mailhol izay milaza fa ho lasa président amin'ny 2013 no mety ho vahaolana amin'izao resaka kolikoly sy fahantrana izao! Satria hita taratra ary tsy azo lavina fa tena mivavaka ilay rangahy iny! Raha jerena ivelany dia hoe mahazo hummer izy manambaka vahoaka,sns,... Fa ny zavatra tena ilazako ny maha mpivavaka azy dia ireo fanazavany sy zavatra ataony azo lazaina fa misy mifanaraka tsara: ohatra "ny anay ny vola miasa ividiana hummer, anaovana radio,sns" ny an'i Fiangonana sasany otrany tsy hita mintsy hoe nakaiza?
Sady manana "charisme" be le pasitera iny! Jereo fotsiny ny anaran'ilay antoko politika! "Fandresana Fahantrana", marina raha mbola nisy nanao antoko politika ohatran'izany! Izay ny amin'iny fa dia samy miandry izay fahantaterahan'ny faminaniany izay moa izy ity ko, atao ahoana e! Manahirana be le hitsara hoe diso izany!

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire